🌿 Tsena FM3A

Fitsipika mifehy ny mpamokatra agroekolojika FM3A.

Referansy Agroekolojika FM3A

FAMOKARANA AGROEKOLOJIKA FM3A

Lisitr'ireo fepetra sy fady arahina

Tanjona

Fanolorana vokatra ho an'ny mpanjifa izay tsara kalitao (vokatra madio, tsy misy akora simika), azo antoka ara-pahasalamana ary manaja ny fiarovana ny tontolo iainana.

Hahazoana tombony bebe kokoa amin'ny tsena izay mitaky vokatra agroekolojika.

Fepetra arahina Fady tsy azo atao
Mikarakara ny tany amin'ny zezika na compost. Mampiasa zezika simika.
Mirakotra ny tany. Tany tsy mirakotra.
Mampiasa masomboly tsara kalitao :
  • vokatra teny an-toerana ;
  • tsy mifangaro ny karazana ;
  • ambony ny taham-pitsiriana ;
  • tsara fitehirizana.
Mampiasa masomboly OGM tsy voamarina na tsy fantatra loatra.
Mikajy ny fahasalaman'ny voly amin'ny fomba voajanahary. Mampiasa fanafody simika hiadiana amin'ny bibikely sy aretina ary ny ahi-dratsy.
Manao fifandimbiasam-boly sy fifampivadiam-boly. Manao fambolena tokana miverimberina (Monoculture).
Mitahiry sy mitsitsy rano ary miaro ny fahadiovan'ny loharano. Mandoto loharano na ny rano ho an'ny fambolena.
Mikojakoja ny karazan-java-manan'aina manodidina (bibikely, hazo, fefy velona). Mandoro ala na tanety hanomanana saha, mikapa ala hovana ho tany fambolena.